<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>771</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Tsinjovinao ny vorona,
 Fa tsy mamafy na mijinja,
 Nefa ao Ilay Mpamelona
 Miahy sy mikojakoja,
 Jereo ny voninkazo soa,
 Fa tsy miasa na mamoly ;
 Ireo ahin'ny Tompo koa,
 Ka velona ao an-tanimboly.

[V2]
 Isika izay malalany
 No dia andrian'ny fony
 indrindra,
 Ka mifalia, ry zanany !
 Ny Zanahary no mpitondra,
 Ry Tompo, Ray malalanay !
 Hatoky tsy hanahy intsony
 Ny tena sy fanahinay,
 Fa manana ny Ray ambony.</lyrics>
<title>Tsinjovinao ny vorona FFPM771</title>
<author>J.W. Van deVenter</author>
</song>